Raharaham-pirenena Tapatapany

Nifindra lasy

Nandray ny toerana ofisialy amin’ny maha Filoham-pirenena mpisolo toerana vonjimaika azy ao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra, omaly , Rakotovao Rivo. Noraisiny teny an-toerana ny iraky ny Vondrona Afrikanina, Ramtane Lamamra sy i Malik Sarr masoivohon’ ny fivondronamben’ny fianakaviamben’ny frankôfônia. Nibahan-toerana tamin’izany ny dinika mikasika ny raharaham-pifidianana.