Sosialy

FIFANDRAISANA SY FIFAMPIZARANA Hiresaka amin’ny mpino amin’ny sarimihetsika ny Papa François

Fizarana. Hamaly ny fanontanian’ny mpino sy ireo olona nifanena taminy ny Papa Ray masina, François. Hitantara ihany koa izy ireo zavatra niainany nandritra ny fitetezana firenena maro nataony.

Hampita hafatra amin’ny maha Papa azy amin’ireo karazan’olona rehetra ihany koa izy. Ankoatra izany, miresaka ny fahitany ny zava-misy amin’izao vanim-potoana iainantsika izao toy ny fianakaviana, ny fahafatesana, ireo mpitsoa-ponenana sy ny maro hafa koa ny tenany. Izany rehetra izany dia hisongadina ao anatin’ilay horonantsary fanadihadiana mikasika ny Papa «Ny Papa François, mitana ny teny nomeny», izay halefa etsy amin’ny Plaza Ampefiloha ny alarobia 12 septambra ho avy izao.

«Ho toy ny tena mifanatrika aminy mihitsy ny olona rehetra mandritra ny fijerena ny horonantsary satria ny Papa François mihitsy no mpandray anjara fototra ao » , araka ny fanazavan’ny mompera Randrianantenaina Gabriel , sekretera mpandrindra ny kaonferansa episkopaly eto Madagasikara, omaly, tetsy amin’ny Ekar Faravohitra. Tsy natao ho an’ny mpino katôlika ihany araka izany ity horonantsary ity fa misokatra ho an’ny olona rehetra ary tsy mifidy finoana ihany koa. Raha tsiahivina dia ny volana marsa 2013 no nandray ny toerana maha Papa azy ny Arsevekan’i Buenos Aire, Jorge Mario Bergoglio. Papa amerikanina voalohany ary nisantatra ny anaran’ny Olomasina, Masindahy François d’Assise. « Nampiseho ny fahavononany handalo aty Madagasikara ny Papa saingy tsy fantatra kosa ny fotoana mety handalovany aty », hoy mompera José solontenan’ny Nonces Apostolique, omaly .