Raharaham-pirenena Tapatapany

Fanaraha-maso

Handefa iraka manokana hanara-maso ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina. Io no nambaran’i Maja Kocijancic, mpitondra tenin’ny sampandraharaha misahana ny raharaham-bahiny sy ny pôlitika ary ny fiahiana ny fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina. Naneho ny fankasitrahany ny fametraham-pialan’ny Filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery ihany koa ity tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Vondrona Eoropeanina ity.