Tranga samihafa

ADY AMIN’NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA Nahazo fitaovana mitentina 31 miliara ariary ny Zandary

Ankoatra ireo efa nananana hatramin’izay, niampy indray ny fitaovana ampiasain’ny eo anivon’ny Zandarimarim-pirenena amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Vola mitentina 31 miliara ariary no nampiasaina nividianana fitaovana toy ny sambo haingam-pandeha roa, kamiao telo, fiara tsy mataho-dalana dimy, môtô efapolo isa, solosaina enimpolo ary radio ahafahana mifandray. Fanampin’ireo ny karazana fitaovam-piadiana sy ny fanamboarana birao any amin’ny faritra tsy mbola nisy izany.

Voalaza fa vola avy amin’ny fanjakana natolotra ny minisitera tamin’ilay fandaharana asa, “Programme d’investissement public”, no nahafahana nividy an’ireo fitaovana marobe ireo. Ankoatra ireo efa nalefa any amin’ny faritra, haparitaka manomboka anio, ireo fitaovana vaovao.

Manamafy ny avy amin’ny Zandarimaria fa efa misy zandary manam-pahaizana amin’ny fampiasana an’ireo fitaovana ireo. Na izany aza, misy hatrany ny fanaraha-maso amin’ny fampiasana izany. Hahetsika amin’ny « Opération Mandio », izay efa natomboka, andro vitsivitsy lasa, ihany koa izy ireo.