Tranga samihafa

Vaky trano Voasambotra ny lehilahy iray nahitana bala sy antsibe

Hita tany amin’ny lehilahy iray nandeha môtô “scooter” voasambotry ny fokonolona sy ny Zandarimaria, teny Ambohidrazaka-Alasora ny fitaovana famakiana trano toy ny “barre à mine” iray, antsibe iray, antsy fanindrona na “poignard” iray, ary bala miisa roa, tamin’ny alin’ny 7 jolay hifoha 8 jolay lasa teo tokony tamin’ny 1 ora maraina. Voalaza ho mpamaky trano io lehilahy io ary mbola tratra tany aminy ireo entana maromaro an’olona vaky trano tany Alasora. “Rehefa nosavaina io lehilahy io nandeha moto
amin’ny andro alina dia mailomailo ary nandà ny fisavana tamin’ny voalohany. Vao nahita ny fihetsiny ireo fokonolona dia tsy nanaiky mora fa nanohy hatramin’ny farany ny fikarohana izay momba io lehilahy io. Nosavain’ny zandary izy vao nanaiky, ka teo no nahitana ireo zavatra ireo tany aminy. Mbola hita tany ihany koa ny volafotsy, finday miisa telo ary vola madinika telo alina ariary. Rehefa nanontaniana izy dia niaiky fa an’olona any Ambohimangakely, izay tao amin’ny trano iray vao avy novakiany ireo entana ireo”, hoy ny loharanom-baovao.