Sosialy

Tobim-pamokarana rano Mihemotra ny fahavitan’ny asa eny Amoronankona

Misedra olana. Tsy ho vita amin’ity volana ity ny asa fanorenana an’ilay toby vaovao famokarana rano eny Amoronankona, kaominina Ambohimangakely. Afaka iray volana sy tapany no vina­­vinaina hamaranana ny asa, ka hihodinan’ity foibe hanampy amin’ny famatsiana rano amin’ny toerana maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina ity.

« Tsy ho tratra ny fe-potoana. Misy olana kely ny momba ny tany », hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo.

Tamin’ny volana mey lasa teo no nanombohan’ny asa. Hamatsy ny faritra atsinanan’ Antananarivo io tobim-pa­mokarana rano io, izay hamokatra rano 100 m3 isan’ora. Hamaha ny olan’ny tsy fahazoana rano amin’iny faritra iny, toy ny eny Ambohimangakely, Ambohima­hitsy, Ambatomaro hatrany Ilafy izany fotodrafitrasa vaovao izany.