Kolontsaina

Seho sehatra Hovelomina etsy Andavamamba ny “Vazo Miteny”

Tsy zoviana amin’ireo mpankafy mozika intsony ny “Vazo Miteny”. Somary nangingina ny sehatra tato ho ato. Hovelomina etsy amin’ny Alliance Française Antananarivo (Aft) Andavamamba indray izany, ny 26 jolay ho avy izao. Mpanakanto andrarezina maro no hanafana ny lanonana isan’izany ry Levelo, Tarika Jeneraly, Belahy, Ifanihy ary Zandry Gasy. “Seho sehatra miavaka no atolotra amin’io fotoana io. Efa mahazatra indrindra ireo mpankafy ny “Revy an-gitara” ny hafanan’ny seho. Ireo andrarezina rahateo no nantsoina ho amin’izany”, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara.

Mampanantena lanonana mafana ireo mpanakanto. Efa milamina rahateo ny fandaharan-kira izay hatolotra. Na dia samy manana ny hanitra ho azy aza izy ireo dia hiara-hientana hanome ny tsara indrindra amin’izany “Vazo Miteny” izany. Hotetezina an-kira daholo, araka izany, ry “Kiala Dauphine”, “Madame Fanja”, “Izany vehivavy Izany”, “Ny toaka”, “Ikalamara”, “Asa Ihany” sy ny maro samihafa.

Volasoa R.