Tranga samihafa

Fitrandrahana saribao Tale nahafaty olona, avy eo nitolo-batana tany amin’ny zandary

Namoy ny ainy teny an-dalana hihazo ny hopitaly any Maevatanàna ny lehilahy iray mpanamboatra arina fandrehitra, tany Mahatsinjo-Maevatanàna, afak’omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora. Tifitra taorian’ny iraka fanaraha-maso an’ireo mpa­nimba tontolo iainana nataon’ ny lehiben’ny fari-piadidiam-paritry ny Tontolo iainana, ny fampandrosoana maharitra ao Betsiboka no nitarika tamin’ izao voina izao.

“Tokony ho tany amin’ny iray kilaometatra miala an’i Mahatsinjo no nisy an’izao tranga izao. Nandeha fiara tsy mataho-dalana ilay talen’ny tontolo iainana izay namita iraka. Rehefa tonga teo amin’ io toerana io izy sy ny ekipany no nahita olona manamboatra saribao. Avy hatrany dia nisambotra azy ireo ny iraka. Nanohitra ny iray tamin’ireo olona. Nanambana antsy lava ny mpitarika azy ireo. Teo no voalaza fa nitarika tamin’ny tifitra, ka nahafaty an’ilay olona”, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filami­nana. Nanatona avy hatrany ny tobim-paritry ny Zandarimaria ao Andriba ilay lehi­ben’ny iraka taorian’ity zava-nisy ity. Misy ny famotorana momba ny tranga amin’izao fotoana izao noho ny fisian’ny olona maty. Nase­hony tao avokoa ny mombamomba ny basy tany aminy. Hatolotra ny Fitsarana any Maevatanàna ny vokatry ny fanadihadiana ataon’ireo avy amin’ny Zandarimaria.