Tapatapany Tranga samihafa

Fisolokiana

Voasambotry ny polisy tany Antsirabe, tamin’ny herinandro lasa teo, ny lehilahy efatra noho ny fisolokiana sy fampi­a­sana taratasy hosoka amina varotra merkiora sy mena-bato. Taorian’ny fitarainana voarain’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe ao Antsirabe no nanaovana ny vela-pandrika sy ny fanarahan-dia. Mbola tratra teny amin’ireto voasambotra ny ny taratasin-tany hosoka, vola sy merkiora ary mena-bato, niampy iraniôma sandoka.