Tranga samihafa

Fikarohana miaramila tsy hita Matin’ny dahalo ny mpanoro lalana an’ireo Tafika

Nahery vaika indray ny fifampitifirana teo amin’ireo miaramilan’ny Tafika nika­roka ny namany iray tsy hita popoka nandritra ny andro maromaro izay sy ireo dahalo am-polony, tany Mataviakoho-Betsipolitra any Miandrivazo, tamin’ny 8 jolay hariva tokony ho tamin’ ny 6 ora latsaka. Vokany, azo sambo-belona ny dahalo iray raindahiny saingy maty voa­tifitra kosa ny lehilahy iray mpanoro lalana an’ireo mpitandro filaminana. Nandritra ny fotoana fikarohana ny miaramila kilasy faharoa, Razanakolona Naharanto, very tsy hita popoka taorian’ ny fifandonana tamin’ny dahalo, tany Ankondromena tamin’ny 1 jolay teo no nisian’ ity fifandonana mahery vaika ity. Nifanehitra ireo dahalo sy ireto andiana miaramila ireto.

Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika (Emgam) dia efa fantatra ny toerana misy an’ilay miara­mila tsy hita. “Raha tsy misy ny fiovana noho ny toetr’andro dia halaina amin’ny angidimby any amin’io toe­rana misy azy io ilay miara­mila rahampitso”, hoy ny jeneraly Ratovonirina Philibert, lehiben’ny sampan-draharaha fampitam-baovao eo anivon’ ny Emgam. Hisy ny fanome­zana mari-pankasitrahana azy rehefa tonga eto an-drenivohitra izy.