Tranga samihafa

Fanendahana Tovolahy iray naharaisana fitarainana am-polony

Malaza ratsy. Efa maro, hoy ny polisy, ny fitoriana voaray momba an’ity tovolahy, roapolo taona, voatondro ho mpanendaka eny Anatihazo Isotry, ary voasambotra tamin’ny alatsinainy lasa teo. Fantatra ihany koa fa fitarainana miisa telo amby fitopolo no tonga eo am-pelantanan’ny tompon’ adraikitry ny fokontany momba azy. Sady mamono sy mandratra olona io tovolahy io, rehefa manao ny asa ratsiny, araka ny fanazavana hatrany.

Tovovavy mpianatra hamonjy sekoly teny Andavamamba no lasibatra tamin’ny alatsinany. Narahina lehilahy telo izy. Ny roa mody nandeha tsotra niaraka taminy. Ny iray kosa nisintona ny entana teny an-tanany no sady nanambana antsy. Voaroba ny findain’ilay tovovavy. Nantsoina haingana ny polisy. Nandositra tany Anatihazo Isotry ireo mpanendaka saingy nifanojo tamin’ny polisy. Voasambotra ny iray ary natsipiny tany anaty rano ny antsy.