Tapatapany Tranga samihafa

Fanendahana mpivady

Karohin’ny polisy ny lehilahy roa rahalahin’ny lehilahy iray efa voasambotra noho ny fanendahana niharo fanola­nana, teny Namontana, ny volana jona lasa teo. Mpirahalahy mpiray tampo izy telo ireo. Tra-tehaky ny polisy, tamin’ny alahady lasa teo, ny iray. Tafaporitsaka kosa ny roa, ka izao mbola tadiavina izao.