Sosialy

Fandriam-pahalemana sy fifamoivoizana Narantiranty eny an-dalambe ireo laharana finday ahazoana ny Polisy

Manakaiky ny vahoaka ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena Malagasy. Narantiranty eny an-dalambe ireo laharana finday ahazoana ireo sampan-draharahan’ny Polisy eto an-drenivohitra. « Entina manakaiky hatrany ny vahoaka ary ho fanampiana azy ireo amin’ny fiainana andavanandro ny nametrahana ireo laharana ireo. Azon’ny mpampiasa lalana jerena amin’ireo takelaka fanaovana dokam-barotra eto an-drenivohitra izany », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Polisim-pirenena.

Misy ihany koa ireo torolalana ho an’ny mpampiasa lalana entina handrindrana ny fifamoivoizana, ankoatra ireo laharam-pifandraisana ireo.