Sosialy

Fandaminana ny fifamoivoizana Nosoloina ireo takelaby torolalana very na simba

Nosoloina ireo takelaby torolalana amin’ny fifamoivoizana sasany eto an-drenivohitra izay efa hita fa ratsy na efa nisy
nangalatra. Mba hisorohana amin’ny fitohanan’ny fifamoi­voizana no isan’ny antony nandraisana ny fepetra. Voakasika ireo famantarana amin’ny fiantsonana taksibe, fandrarana ny fandalovan’ny fiarabe mihoatra ny lanja voafaritra ary ny fandrarana ny fiantsonan’ny taksibe amin’ny toerana tsy ho amin’izany.

Nosoloina vaovao, ohatra, ny filazana fa tsy azo andalovan’ ny sarety eny Ambohidahy satria nisy nangalatra ny teo aloha. Fantatra fa fampanarahan-dalàna ary fampahatsiahivana sy fampahafantarana ny olona sy ny mpitatitra ny fanovana no nanaovana an’ireo.
Etsy andanin’izay, nanamafy ny kaominina Antananarivo renivohitra ny amin’ny tokony hanajana an’ireo toerana fiantsonan’ny taksibe. “Tokony hanaja ireo fitaovana iombonana ny vahoaka fa tsy hanimba sy hangalatra an’ireny takelaby ireny”, hoy ny avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra ny hetsika omaly. Hitohy amin’ny faritra hafa izao fametahana takela-by vaovao izao.