Fanatanjahantena

Antsapakan’ny CAN 2021 Mbola tafajanona ao amin’ ny satroka fahatelo ny Barea

Hanomboka amin’ny 16 aogositra 2019 ho avy izao hatramin’ny 17 novambra 2020 ny fikatsahana tapakilan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika taranja baolina kitra na ny CAN 2021, hotanterahina any Caméroun. Hotontosaina any Caméroun amin’ny 18 jolay ny antsapaka. Tsy isan’ireo hiatrika intsony ny lalao savaranonando i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ity, ary tafiditra ao anatin’ny satroka fahatelo. Mbola ny filaharan’ny Fifa tamin’ny 14 jona lasa teo ihany no nizarana an’ireo firenena 52 handray anjara, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny CAF. Amin’ny 7 sy 15 oktobra vao hiakatra kianja isika, raha amin’ny 16 – 18 aogositra sy 27 – 29 kosa ny savaranonando.

Mitovy tamin’ny raikipohy nikatsahana tapakilan’ny Can 2019 ihany ny amin’ny Can 2021. Nozaraina ho satroka dimy ireo ekipa ka ny telo voalohany misy ekipa 12 avy. Ireo roa farany kosa misy valo avy ka ny efatra tafavoaka amin’ny lalao savaranonando hoatrehin’ny satroka fahadimy no hanampy ho 12 ny satroka fahaefatra. Rehefa izay dia hozaraina ho vondrona roa ambin’ny folo misy ekipa efatra avy ireo manohy ny fifaninanana aorian’ny lalao savaranonando. Ireo roa voalohany hatrany no miatrika ny dingan’ny famaranana hatao any Caméroun amin’ny taona 2021.