Kolontsaina

Andro koltoraly Nampahafantarina teny Ankatso ny kolontsaina Sinoa

Andro miavaka natokana ho an’ny haren’ny fahasamihafana ara-kolontsaina, omaly, teny Ankatso. Nandray ny andiany faharoa tamin’ny “Andron’ny kolontsaina Sinoa” ireo mpianatry ny anjerimanontololo. “ Maro ireo tanora malagasy izay tena liana amin’ny kolontsaina sinoa sy amin’ i Shina. Natao indrindra hanamafisana ny fahalalana izay efa ananan’izy ireo ny hetsika toy izao. Hanamafisana ihany koa ny fifandraisana misy eo amin’i Shina sy Madagasikara”, hoy Yang Xiaorong, masoivohon’i Shina eto Madagasikara, nandritra ny fanokafana ny lanonana.

Sehatra maro no naranty nandritra ny tontolo andro omaly. Isan’izany ny Sorakaliana, Mozika, dihy, sakafo, ireo fomba amam-panao maro ary ny haiady sy ny fanatanjahantena samihafa. Nibahan-toerana ny “Sorakaliana” izay nambaran’ny filohan’ny oniversite an’Antananarivo, Ravelomanana Mamy, fa tokony halalinin’ ny mpianatra kokoa satria mifono tantara nitranga an’arivo taona lasa izay. Afaka nanandrana ireo sakafo sinoa teny an-toerana ihany koa ireo rehetra nanatrika ny hetsika sady nianoka seho sehatra nanehoana ireo karazan-dihy sy mozika maro. Nanamafy hatrany ny fahalalana an’i Shina ny fandefasana horonantsary mifono tantara nandritra ny tolakandro.

Volasoa R