Tranga samihafa

Voina an-drano Hita faty ilay zazalahy efa nokarohina

Tantara mampalahelo. Efa hatramin’ny talata 4 jona lasa teo no nitadiavana ny zazalahikely iray, manodidina ny sivy taona mipetraka eny amin’iny faritra Ambohibao iny. Hita faty tao anaty rano tany Ankadivory Talatamaty izy, omaly tolakandro. Tsy mbola fantatra ny antony nitarika ny fahafatesany. Andrasana, hoy ny mpitandro ny filaminana, ny valin’ny fizahana nataon’ ny mpitsabo.

Tsy hita, rehefa avy nianatra teny Ambohibao ilay zazalahikely, tamin’ny talata lasa teo. Efa nikaroka azy sy nampandre ny mpitandro ny filaminana ary nanaparitaka taratasy ombay mitady momba azy ny ray aman-dreniny. Ny vatana mangatsiakany sisa no hita, omaly. Voalaza fa ny akanjony tamin’ny fotoana nahitana azy farany no teny aminy.