Zavakanto

Slam poezia Nankasitrahan’ny mpanatrika sahady na dia vao ireo nisedra sehatra aza

Nandray ny Slam Poezia ny ivon-toerana alemana-malagasy (Cgm) Analakely, ny sabotsy tolakandro teo. Tonga nanotrona ity seho sehatra ity ireo mpankafy ny slam rehetra. Nitondra ny kantony tao avokoa na ireo efa andrarezina na ireo sambany vao hiantsehatra. Tsy vitsy tamin’ ireo nisantatra ny fiatrehany mpijery no nahazo fampirisihana nanoloana ny mpanatrika.

Natao hanapariahana ity kanto ity ny seho sehatra toy itony. Hita taratra fa maro ireo liana na dia betsaka koa aza ireo sambany vao niseho sehatra. Samy nanana ny fomba nanehoany izany ny tsirairay. Nisy ny tsy nahajery ireo mpankafy fa variana niondrika. Nisy ihany koa ireo somary niankanankana saika tsy nahateny. Nanampy azy ireo hatrany kosa anefa ireo mpijery mba hananany fahatokisana kokoa satria samy nahazo fankasitrahana sy tekaka avokoa ireo niaka-tsehatra.

Tsapa fa nanome fanantenana ny amin’ny ho avin’ny « Slam » eto Madagasikara ny faharisihan’ireo tanora mpandray anjara tetsy amin’ny CGM.

Volasoa Randriamanantena