Zavakanto

PK0 Soarano Nampanakoako ny kanto feno angola i Rija sy Lalatiana

Ny zoma alina teo no nifanome fotoana tamin’ ireo mpankafy azy tetsy amin’ ny PK0 Soarano i Lalatiana sy Rija Ramanantoanina ka nanoloran’izy ireo kanto maroloko. Samy manana feo miavaka izy mianadahy. Naredona avokoa ireo hirany izay tsy maty am-bavan’ny tsirairay.

Nampihetsi-po ireo mpijery ny nandray an’i Rija sy Lalatiana teny an-tsehatra satria tsy dia fahita firy loatra ny seho iarahan’ireto andrarezin’ny mozika malagasy ireto. Notetezin-dry zareo avokoa ireo fotoana maro nahafantaran’ny rehetra azy.

Samy niventso ny hirany izy mianadahy. Fotoana iray tena nankafizin’ireo mpanatrika ny fampiaraham-peon’izy mianadahy. Samy noventsoina niaraka avokoa na ny hiran’ i Rija Ramanantoanina na ny hiran’i Lalatiana. Horakoraka tsy nisy ohatran’izany kosa nandritra ny fiangalian’izy ireo an’ilay « Hasambarana » an’i Jérôme Randria.

Volasoa R

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra