Tranga samihafa

Loza teny Imerinafovoany Tovolahy iray maty nianjera teny ambony bisikileta

Voalaza fa noho ny fianjerany no nitarika ny fahafatesan’ny tovolahy iray, iraika amby roapolo taona, teny Imerinafovoany Talatamaty, afak’omaly antoandro. Nandeha bisikileta io tovolahy io. Nianjera izy ka ny lohany no nitotona voalohany teo amin’ny arabe. Noho ny dona mafy nahazo azy tamin’ izany no namoizany ny ainy teo no ho eo.

Nitondra bisikileta teny Imerinafovoany ilay tovolahy no tra-doza. Nambaran’ny mpitandro ny filaminana nanao ny fizahana fa voadonan’ny kamiao iray izy ka nianjera. Voatazon’ny zandary natao famotorana ny mpamily an’io fiarabe io. Nantsoina ihany koa ny fianakaviana mana-manjo. Tsy maintsy hiakatra eny amin’ny Fitsarana ny raharaha.