Zavakanto

Lapan’ny kolontsaina Mahamasina Vitsy mpijery kanefa niavaka ny seho noentin’ny TGC

Nakotrokotroka ny fanka- lazana ny faha-15 taonan’ ny tarika Tana Gospel Choir (Tgc) tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahan- tena Mahamasina, afak’omaly. Niravaka ny sehatra izay nanokanana ampahany lehibe tao amin’ny lapa, izay nametrahana fahitalavitra goavana nahafahana nanaraka ny tonon’ireo hira. Tsy tonga maro kosa ireo mpijery saingy tsy nanakana ny hankaton’ny seho natolotry ny tarika izany. “Tsara loatra” tokoa, araka ny anarana nampisalorana ny fotoana, ny lanonana.

Mampanantena ny Tgc fa ho avy tsy ho ela ny rakikira manaraka. Fisaorana sy fanka- sitrahana an’ilay Nahary noho ny fotoana nomeny ho an’ ny tarika, fangatahana ihany koa ny amin’ireo taona ho avy rehetra no niarahana tamin’ ireo mpijery. Isan’ny nanamarika ny fotoana afak’omaly ny fahatsiarovana ilay zokiny indrindra sady isan’ny namorona ny tarika, izay tsy iza fa i Solofo Nomenjanahary, ilay mpitendry angorodao sy ny vata maroafitsoka ka notolorana ny mariboninahitra “Commandeur de l’ordre des arts et des lettres ”.

Volasoa R.