Raharaham-pirenena

Fanagiazana harena tsy ara-dalàna Andrasana ato ho ato ny hitsivolana fampiharana an’ilay lalàna

Miandry fampiharana mba hahatanteraka ny dingana iray amin’ny fanenjehana an’ireo tsimatimanota. Araka ny fantatra, dia mety havoa­kan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tsy ho ela ny didy fampiharana an’ilay lalàna mifehy ny figiazana an’ireo harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Ao anatin’ny Filankevitry ny minisitra no handraisana an’io fanapahan-kevitra io rehefa nihazoazo tamin’ny fandaniana an’izany nandritra ny taona maro ireo solombavambahoaka farany niasa tetsy amin’ny Antenimierampirenena

Tsiahivina hatrany fa isan’ny fepetra takin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena ny fampiharana an’io lalàna mifehy ny fanagiazana an’ireo harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna io, sady nametrahan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena fanamarihana manokana. Tokony hiara-dalana amin’ny fampiharana azy ihany koa ny lalàna mifehy ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny fama­tsiam-bola ny asa fampihorohoroana.

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra

  • hankasitrahana ny filoha andry rajoelina sahy mandray andrakitra mamongotra ny tsy maty manota eto madagasikara , mila hajaina sy hampiarina ny lalana , mba hahafahana mampnadroso haingana an’ny madagasikara .ny fisana tsy maty manota , no fototra iray tsy mampandroso sy manimba firenena