Fanatanjahantena

Baolina lavalava Mangataka ny hamerenana aminy ny kianjany ny RCTS Rugby Club Tanora Soavimasoandro

Mbola tsy manana fahafahana mampiasa ny kianja izay efa nahazoany alalana ny klioba Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). Niadiana tamin’ny taona 2017 io kianja io. “Nahazo fahazoan-dalana hampiasa azy izahay.

Nolazaina anefa fa lasan’ny olona hafa izy io ka nakatona. Mangataka izahay amin’izao mba hamerenana ny kianja aminay”, hoy Andrianarisoa Avotra, filohan’ny fikambanana RCTS.

Mitohy hatrany kosa ny hetsika sy ny asa sosialy fanaon’ity fikambanana ara-panatanjahantena ity. Porofon’ izany ny fanomezany akanjo sy kiraro enimpolo baoritra an’ireo ankizy taizany miaraka amin’ireo ray aman-dreniny ao amin’ ny fikambanana sy eny amin’ ny fokontaniny, ny sabotsy lasa teo. “Fanaonay isan-taona izao fanomezana izao. Manohy ny asa foana izahay na mikatona aza ny kianjanay. Manipy teny kosa anefa izahay any amin’ ireo manam-pahefana nandefasana ireo fangatahana mba hamerina an’io kianja io aminay”, araka ny nambarany hatrany.

Sendra R.