Tapatapany Tranga samihafa

Fanasaziana vazaha

Voasazy namafa lalana ireo vazaha teratany frantsay roa lahy miasa amin’ny orinasa lehibe iray mpanamboatra lalana, afak’omaly, tany Ambatondrazaka. Isan’ireo tsy nanao aron-tava izy ireo. tsy namaly izy roa lahy fa nanatanteraka tsara ny saziny, araka ny loharanombaovao. Nisy olona valo amby efapolo hafa ihany koa voasazy namafa lalana tany an-toerana.