Sosialy Tapatapany

Famatsiana herinaratra

Mbola ahitana fikorontanana ny famatsiana herinaratra eto amin’ny tambajotra iraisan’antananarivo sy antsirabe ka miteraka fahatapahan-jiro matetitetika, araka ny fampahafantaran’ny orinasa Jirama. Tsy fahampian’ny rano any Mandràka ka miteraka fikorontanan’ny « fréquence » any amin’ireo toby famokarana herinaratra no antony. Simba noho izany, ny milina fanodinana herinaratra lehibe iray eny ambodivona. Haharitra ny fahatapahan-jiro amin’ny faritra avaratra antananarivo sy ny manododina azy akaiky