Sosialy Tapatapany

Mpampivelona

Mangataka ny hijerena ireo mpiara-miasa aminy any ambanivohitra ireo mpampivelona ao anatin’ny fikambanana eto Analamanga. Tsy manana fitaovana entina miasa ihany koa izy ireo, araka ny fantatra, nandritra ny fankalazan’izy ireo ny andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona,teny amin’ny Hjra Ampefiloha, omaly. Isan’ny hetahetan’ireto mpampivelona ireto ny fanomezana azy ireo tambin-karama manokana noho ny halaviran’ny faritra iasana.