Samihafa

Kapoka sy herisetra Namoy ny ainy ilay zazavavikely voadaroka

Niafara tamin’ny faha- fatesany ny daroka sy vono nihatra tamina zazavavikely iray, fito taona, tany Mahajamba Mahajanga II, ny herinandro lasa teo. Namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly izy, afak’omaly.
Lehilahy iray mpivarotra mpiara-monina aminy ihany no voarohirohy no nahavita io herisetra io. Nosamborina nalaina am-bavany ity farany. «Voalaza fa noroasin’ilay lehilahy ary voadaroka sy voahitsaka io zazavavy io, rehefa nilalao teo akaikin’ny fivarotany. Nitaraina ho narary vokatr’ izany ilay zaza ka voatery noentina teny amin’ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy», araka ny fitantaran’ny tompon’ andriakitra iray ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II.

Fantatra fa nirohotra nitady an’iry mpivarotra ny olona teo an-tanàna taorian’ny fahenoana ny fahafatesan’ilay zaza.

Haingana ny fahatongavan’ ny mpitandro filaminana ka voasoroka ny fihetsi-ketsehana saika nataon’ireo andian’olona ireo. Milamina ny raharaha, taorian’ izay.