Samihafa

Halatra Nogadraina ilay mpanampy an-trano sy ny sakaizany

Noahiana mafy ho namaky trano sy nangalatra ny tovovavy iray, 19 taona, mpanampy an-trano teny 67Ha. Voarohirohy niaraka taminy ihany koa ny sakaizany. Voasambotra izy roa ireo ary samy naiditra am-ponja vonjimaika, taorian’ny famotorana.

«Very tao amin’io trano io ny karazana entana mitentim-bidy roa hetsy sy telo ambin’ny folo tapitrisa ariary, ny alin’ny sabotsy 4 mey lasa teo. Nampiahiahy ny tompon-trano ny tsy nahitana popoka ny mpanampy an-trano», hoy ny polisy.

Nokarohina ilay tovovavy. Tratra tetsy Ankorondrano izy sy ny sakaizany, ny talata 7 mey. Voalaza fa mbola hita tao an-tranon’ izy ireo ny entana halatra rehetra niaraka amin’ny karazana taratasy sy
fitombokase hosoka.

Naverina amin’ny tompony ny entana.