Samihafa

Fanakanan-dalana Kamiao iray voatafika, mpandeha efatra naratra mafy

Notafihin’ny jiolahy tany amin’ny lalam-pirenena faha-27 ny kamiao iray nitondra mpiantsena, afak’omaly harivariva. Sady voaroba no noratrain’ireo olon-dratsy ny mpandeha tao anatiny. Olona efatra no voalaza fa naratra mafy. Anisan’izany ny mpamily izy voafira antsy. Nipitihan’ny taim-balana basim-borona kosa ny telo hafa.

Avy namonjy tsena tany Andoharano ireto olona nandeha kamiao ireto. Tany amin’ny roapolo kilaometatra tsy hidirana ao an-tanànan’i Farafangana no nisehoan’ny fanafihana nataona andian-dehilahy valo nitondra basy sy zava-maranitra. Nampitahorin’ireo mpanafika tamin’ ny poa-basy ny tao anaty fiara. Tafajanona rehefa nilatsaka tao anaty tatatra ilay fiarabe. «Noraofin’ireo jiolahy ny vola sy firavaka ary ny paoketra teny amin’ireo mpandeha. Ny famonjena an’ireo niharam-boina sy fanenjehana an’ireo olon-dratsy no natao voalohany.

Mitohy miandalana eny ny fanadihadiana », hoy ny zandary any Farafangana.