Kolontsaina

Mozika rock Hihaona voalohany amin’ ny mpankafy ry Mage 4

Vaovao mahafaly ho an’ny tontolon’ny mozika metaly. Hametraka tantara eo amin’ny sehatry ny fampisehoana goavana indray ny tarika Mage 4. Taorian’ny fahombiazan’ny fampi-sehoana lehibe, izay nataon’izy ireo talohan’ny fandalovan’ny valanaretina, dia vonona hisedra sehatra goavana sy miavaka indray ry Ken sy ireo namany, ny zoma 26 marsa ho avy izao, eny amin’ ny toeram-pivoriana iraisam-pirenena CCI Ivato. Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo tapakila. Fanamby vaovao no hatrehin’ny tarika, ka hanolotra fampisehoana tsy manampaharoa ho an’ny mpankafy hatrany no tanjona. Alohan’izay anefa, efa hita anaty tambajotran-tserasera sosialy sy ireo haino amanjery maro ny horonantsary vaovao an’izy ireo mirakitra ireo hira teo aloha. Na izany aza manana vinavina ny hanolotra hira vaovao sy rakitsary vaovao ihany koa ny tarika alohan’io fotoana io.

Niforona tany Toliara, tamin’ny taona 1993 ny tarika Mage 4. Gadon-kira rock mavesatra sy milamina na “rock soft” no nahafantaran’ny maro azy. Hira nampalaza ny tarika ry “Valin’ny ditra” sy “Lavitra”, tany am-panombohany. Rakikira efatra no efa novokarin’izy ireo. Nandalo fotoan-tsarotra sy sedra maro ny tarika nandritra izany, toy ny nahafatesan’i Mika, izay sady mpitarika nitendry gitara tao amin’ny tarika, vokatry ny lozam-pifamoivoizana, tamin’ny 11 septambra 2011. Hatramin’ ny fotoana niorenany, efa niovaova ireo mpikambana tao anatin’ny tarika. Mandrafitra ny Mage 4, amin’izao fotoana izao, i Lita (gitara), Elysé (vata maroafitsoka), Gégé (gitara), Tins (gitara beso), Ken (fihirana), Beback (amponga maroanaka), Titan (gitara) a ry Teddy (gitara).

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao