Samihafa

Fiainana ny karemy Mandresy ny demony ny fiombonana amin’Andriamanitra

Mety ho tonga ao an-tsainao avy hatrany ny hoe : marina io teny io noho ny fahitanao olona lasa adala, na olona mihetsika zavatra tsy fantatra na andairan’ny aretina tsy sitrampanafody. Tsy azo lavina izany satria asan’ilay ratsy tokoa. Anisan’izany ny ambaran’ny Evanjely amin’ity andro ity satria naha moana ny lehilahy iray.

Noroahin’i Jesoa anefa io demony io ka afaka niteny ilay moana. Nanoloana izany no nisy nisaina avy hatrany fa « I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony ». Mazava ny valintenin’i Jesoa : « rava izay fanjakana miady an-trano ». Mandray roa io teny io: ny voalohany no hampahafantarany antsika fa na misy aza ny firaisan-kina ratsy dia ho rava ny fahefan’ny demony raha mifandroaka izy ireo. Ny fiombonana amin’ Andriamanitra sy ny namana no hery enti-mandresy ny demony no faharoa. Diniho fa raha hiady isika dia ilaina mandrakariva ny fitaovana manoloana ny fahavalo. Koa raha demony ary ilay fahavalo dia tsy afaka ny hihambo hanan-kery samirery isika raha tsy eo i Jesoa Kristy. « Fa raha ny rantsan-tanan’ Andriamanitra no androahako ny demony dia efa aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra ».

Andeha isika samy handini-tena amin’izao Karemy izao sao efa hanjakan’ny ratsy ny fiainantsika noho ny fanadinoantsika ny fiombonana amin’Andriamanitra, indrindra sao ho tratran’ny fakam-panahy hoe: «toa mbola tsy marary na misy fisehoan-javatra hafa amin’ny fiainako, noho izany, mbola tsy miasa ato amiko ny demony » ka hilomano ao anaty toe-pahotana na fomba ratsy noho ny fisaratsarahantsika amin’ny hafa, sao sanatria efa fianakavian’ny demony mihitsy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao