Kolontsaina

Fifaninana hronantsary Antsoina ireo olona mitovy endrika amin’ny mpanjaka taloha

Famelomana ny tantara. Miantso an’ireo malagasy mitovy endrika amin’ireo mpanjaka tao amin’ny rovan’Antananarivo  ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera. Ny famolavolana horonan-tsary fohy hamelomana ny tantara sy hamerenana ny hasin’ireo  mpanjaka sy mpitondra no hanentanana an’ireo vonona hifaninana. Hatramin’ny 17 febroary ho avy izao no fara handraisana ny antontan-taratasy.

Andrianampoinimerina,  Radama I sy II, Ranavalona I sy II ary II,  Rainilaiarivony ary Rasoherina no hifantohan’ny safidy.  Ilaina ny mahafehy tanteraka ny teny malagasy ankoatra ny fitoviana ara-bika aman-kendrika amin’ireo mpanjaka taloha, satria  tantara lalaovina anaty horonan-tsary no hiantsoana ny tsirairay.  Mila hakingana ara-teny sy fahaiza mitadidy, ny traikefa ara-javakanto sy haino aman-jery ihany koa.  Aterina eny amin’ny tranombokim-pirenena Anosy ireo antontan-taratasy ilaina rehetra, toy ny filazalazana ny momba ny mpifaninana (CV), hahitana mazava tsara ilay mpanjaka mitovy aminao miampy sary lava sy sary tapaka. Ireo 18 hatramin’ny 50 taona ihany no afaka mandray anjara.