Kolontsaina

Fampiarahana talenta Hifampizara sehatra amin’ireo mpitendry jazz i Dama sy Jaojoby

Hotanterahana any Nosy Be, amin’ny 10 -13 avrily 2020, ny andiany fahaefatra amin’ny hetsika “Nosy Be Jazz Festival”. Hampiavaka an’ity indray mitoraka ity ny nanasan’ny mpikarakara mpanakanto roalahy izay tsy zoviana intsony eo amin’ny sehatry ny zavakanto malagasy. Fantatra fa hampiaraka talenta sady hizara ny traikefany amin’ireo mpitendry mozika jazz i Dama Mahaleo sy i Jaojoby, ao anatin’io lanonana io.

Tarika sy mpanakanto ary mpitendry maro no haneho ny fahaiza-manaony amin’ny fampisehoana samihafa, ankoatra azy roalahy. Hitondra ny talentany ao ny Jazz Club CGM, ny Tana Gospel Choir, ny Malagasy Jazz Experience, Mad’in Voyage, Weaver Trio & Lalatiana. Hanatevin-daharana azy ireo kosa i Fanja Andriamanantena, reny mpiahy an’izao andiany manaraka izao. Haka endrika lanonana iraisam-pirenena, toy ny andiany teo aloha, ny “Nosy Be Jazz Festival”. Nanasa artista avy any ivelany ny mpikarakra, toa an-dry Sulaiman Hakim (Etazonia) sy Akoda Trio (Frantsa).