Tapatapany Tranga samihafa

Zandary natao famotorana.

Avy hatrany nandray andraikitra ny fibaikoana ny Zandarimaria momba ny fiarany izay voalaza fa nandona olona tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Natao famotorana ilay zandary mpamily ary niaiky ny helony. Tonga teny Ankadilalana, omaly ilay niharam-boina ary nisaotsaotra ny Zandarimaria noho ny fandraisana andraikitra. Nilaza ny tsy hametraka fitoriana ilay niharam-boina. Misy kosa ny fisokafan’ny fanadihadiana amin’ny fanasaziana ilay zandary eo amin’ny lafiny araka asa.