Pejy manokana Tranga samihafa

Voina nateraky ny oram-be Toa efa nandindona an’ilay ankizilahy lasan’ny rano ny fahafatesany

Namoy ny ainy tamin’iny oram-be narahin-kotroka niseho teto an-drenivohitra, ny tolakandron’ny alakamisy lasa teo iny, rahelison heriniavo zakaria julien, ankizilahy, efatra ambin’ny folo taona, mipetraka eny andraisoro. Lasan’ny rano ity ankizilahy ity. Tokony ho ora sivy taorian’ny nisehoan’ny loza vao hita ny vatana mangatsiakany, tany amin’ny roa kilaometatra miala ny toerana nitrangan’izany.

«Nanonofy zavatra hafahafa i Zakaria, ny alin’ny alarobia. Mety ho efa nandindona azy, araka izany, ny loza hahazo azy, ny ampitson’io», hoy ny ray aman-drenin’ity ankizy nindaosin’ny fahafatesana. Nampitaraina ny fianakaviana sy ny mpiara-monina ny fiaraha-miasa nisy teo amin’izy ireo sy ny sampana mpamonjy voina, tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Ireo mpamonjy voina izay voalaza fa tsy afaka nanohy ny fikarohana ny razana, nony efa nihamaizina ny andro. Ny fokonolona sy ny fiakanaviana no hany sisa niara-nisalahy tamin’ny fitadiavana an’i Zakaria. Ho hita eto ambany ny fanazavana avy amin’ny sampana mpamonjy voina manoloana ny fomba fiasan’izy ireo amin’ny tranga toy izao.

Nofy ratsy

Gaga sy talanjona ary lasa saina ihany ny ray aman-drenin-dRahelison Heriniavo Zakaria Julien, ilay ankizy lasan’ny rano, rehefa samy naheno ny fitantarany fa nanonofy hafahafa i Zakaria, ny alin’ny alarobia. Heverina ho nifandray amin’izany ny voina tampoka nahazo azy, ny ampitso (Ndrl: alakamisy tolakandro).

«Nanonofy ratsy i Zakaria, tamin’io alin’ny alarobia io. Milaza ho nahita zavatra mainty mampatahotra be izy. Notantarainy tamin’ny zokiny izany. Noheverinay ho reraka izy, tamin’io alina io, ka izany no nahatonga azy ho nanonofy hafahafa. Nahagaga anefa ny endrika nahitana ny vatana mangatsiakany tao anaty rano izay nitovitovy tamin’ny endriny teo ambony fandriana, nandritra ny nanofisany ratsy», hoy Rahelison René, rain’i Zakaria.
Milaza ireto ray aman-dreny namoy zanaka fa efa fantatr’i Zakaria mialoha ny zavatra hahazo azy noho iny nofy iny.

Avy niatrika fanadinana

Mpianatry ny Ceg Avaradoha, Rahelison Heriniavo Zakaria Julien. Nirava avy tany am-pianarana avy niatrika fanadinana izy sy ny namany roa lahy no tra-doza teny an-dalana, ny tolakandron’ny alakamisy, tokony ho tamin’ny telo ora. Teo amin’ny arabe tsy lavitra ny trano fonenany no niseho ny tampoka ny loza. Nivatratravatra ny orana, tamin’io fotoana io.

« Teny an-dalana avy tany am-pianarana izahay no efa avy ny orana. Tsy afaka niverin-dalana intsony izahay fa nialoka teny an-tsisin-dalana. Ora iray taorian’izay, nitohy ny dia. Mbola nivatravatra ihany ny orana», hoy i Tanjona, naman’i Zakaria, niara-dalana taminy, tamin’io tolakandro io. Nanao aro orana Rahelison Heriniavo Zakaria Julien sady nitondra kitapo roa, ny azy sy ny an’ilay ankizilahikely iray. Niakatra hatreny amin’ny ranjo ny rano teny amin’ny arabe nandehanan’ireto mpianatra nirava nianatra ireto.

«Lasan’ny rano ny ilan-kapan’i Zakaria. Nanenjika izany hatreny am-pita izy. Nisy taksibe roa nandalo. Takona tao izy ka tsy hitanay izay zava-niseho. Ny olona teo am-pita avy eo, no niantso mafy sy niteny hoe lasan’ny rano any ny namanay », hoy ihany i Tanjona.

Nikoropaka izy roa lahy kely. Ny iray nandeha haingana nampandre ny ray aman-drenin’i Zakaria. Ny iray kosa niaraka tamin’ny olona nitsirika ny tao anaty rano.

«Tazako ilay ankizilahy niampita nanenjika kapa. Toy ny nibolisatra izy avy eo. Ny lohany no lasa aloha tany anaty rano. Tazako ny tanany roa. Niezaka nidina haingana nikasa hamonjy aho saingy efa tara loatra», hoy kosa Randrianantenaina Bruno, mpivarotra eo akaikin’ny toerana nisehoan’ny loza.

Ankoatra ny rano be efa nandifotra ny lakandrano sy ny arabe, dia tombanana ho antony nahatonga an’ity ankizilahy nianjera ihany koa ny tosaky ny rano avy tamin’ireo taksibe roa nandalo.

Tsy ampy fitaovana

Vetivety dia nalaza sy niparitaka teo an-tanàna ny voina nahazo an’ilay ankizy mpianatry ny Ceg. Nifampitaona nanampy ny fianakaviana ny fokonolona. Nantsoina ny sampana mpamonjy voina hanampy azy ireo. Voalaza fa ora roa taorian’ny antso natao vao nigadona teny an-toerana ny mpamonjy voina.

«Mbola nanantena ny hahita an’i Zakaria izahay satria nandrasana teo amin’ny tatatra nianjerany izy. Tsy nipoitra anefa izy. Kivy izahay ary efa nieritreritra fa mety efa tsy namana intsony izy. Ny fanohizana ny fikarohana ny vatana mangatsiaka sisa no natao», hoy ireto fianakaviana.

Narahina ny lalan’ny rano rehetra ka tonga teny an-tanimbary ny mpikaroka. Niroboka nitsapatsapa tao anaty rano ny mpamonjy voina. Niala teny an-toerana anefa izy ireo, rehefa harivariva ny andro.

«Telopolo minitra taorian’ny nianjeran’ilay ankizy tao anaty tatatra vao tonga teny izahay noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Voatery niala teny an-toerana anefa ny mpamonjy voina, ny hariva, noho ny tsy fahampian’ny fitaovana toy ny jirobe ampiasaina amin’ny alina. Teo ihany koa ny fiarovana ny ain’ireo mpamonjy voina sy ny olona hafa sao ho tra-doza noho ny haizina. Tranga efa nisy, ohatra, ilay teny Ambanin’Ampamarinana izay nisy mpamonjy voina iray naratra nianjeran’ny vato», hoy ny lietnà Ralimbison Yves Helory, tompon’andrikitry ny fifandraisana sy ny fiofanana eo anivon’ny sampana mpamonjy voina, etsy Tsaralàlana.

Milaza ihany koa ny ao amin’ny sampana mpamonjy voina fa betsaka ny vonjy voina natrehin’izy ireo, tamin’iny alin’ny alakamisy iny, toy ireo niseho teny Ampandrana sy Besarety ary Andravoahangy.

Nohamafisin’ny lietnà Ralimbison Yves Helory hatrany fa hatramin’ny fito ora hariva ny fikarohana atao amina fidinana arahina asa, toy ity teny Andraisoro ity.

Faty voasaringotry ny hazo

Nitaintaina mafy ny fianakaviana teo am-pikarohana an-dRahelison Heriniavo Zakaria Julien, ilay ankizy lasan’ny rano. Mbola nanana fanantenana ihany anefa izy ireo amin’ny fahitana ny razana. Nizarazara ny olona tamin’ny fikarohana azy.

Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany, ny alin’ ny alakamisy ihany, no hita teny Ambohidahy Ankadindramamy, any amin’ny roa kilaometatra miala an’Andraisoro, toerana nisehoan’ny loza, ny razana. Tao ambany tetezana, misy vodihazo lehibe no nahitana azy. Voasaringotry ny hazo ny tongony. Ny fianakaviana monina eny amin’ny manodidina eny ihany no nahatsikaritra ny razana voalohany tao anaty rano.

«Nihohoka no nahitana ny razana tao anaty rano. Mbola teny aminy ny aro orana nanaovany sy ireo kitapo roa nobabeny. Naratra, vaky ny lohany izay heverina ho nidona tamin’ny vato tamin’ny nianjerany tao anaty tatatra. Mangana ny tanany izay mety ho voasaringotry ny hazo. Tsy nimbotsina ny vatany, izany hoe tsy nitelina rano. Heverinay ho torana izy, vantany vao nianjera tao satria nidona ny lohany. Izany no tsy nitrohany rano», hoy Rahelison René, rain’i Zakaria.

Fisorohana ny loza

Tampoka toy ny loza rehetra ny nahazo an-dRahelison Heriniavo Zakaria Julien, raha nianjea tao anaty tatatra. Anisan’ny teny farany nataon-dRaveloson Julia Vololona, reniny, ny mba hijeren’ny tompon’andrikitra manokana ny lakandrano sy tatatra hisorohana ny loza hafa toy izao.

Milaza ity renim-pianakaviana fa tokony hotampenana ny lakandrano rehetra na asiana aro fanina ihany koa. Misy lakandrano lehibe, ohatra, eo amin’ity toerana nianjeran’i Zakaria ity, izay tsy misy sarony.

Nambaran’ny eo anivon’ny sampana mpamonjy voina ihany koa fa efa nilaza sy nanentana ny tompon’andraikitra eo amin’ny fokontany izy ireo amin’ny fisorohana ny loza toy ny fanaovana sarona tatatra sy fametrahana marika hahafantaran’ny olona ny fisian’izany.