Tapatapany Tranga samihafa

Mpampihorohoro frantsay.

Tra-tehaka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, tamin’ny talata lasa teo, i Christophe Raineteau. Voarohirohy tamin’ny asa fampihorohoroana niseho tany Bangui-Centrafrique, izay nahafatesana olona 26 tamin’ny 1 mey 2018 io lehilahy io. Tao am-piangonana katôlika iray mandritra ny lamesa no niditra tampoka ny milisy nanao tifitra variraraka. Isan’ireo namoy ny ainy ny mompera nitarika ilay fivavahana. Nampodiana any Frantsa afak’omaly io teratany Frantsay io taorian’ny famotorana azy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra