Tranga samihafa

Lozam-pifamoivoizana Nifandona mafy ny fiara Mazda sy kamiao

Tsy nifampitsitsy ireo fiara roa nifandona teny Ampasinomby-Ankazo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, afak’omaly maraina tokony tamin’ny 10 ora. Olona sivy tao anatin’ilay fiara marika “Mazda” no naratra.
Nisy ireo voa mafy ka voatery nalefa aty an-drenivohitra. Misy kosa ireo manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly lehibe eny Alakamisy-Ambohidratrimo.

Tsy fantatra izay tena anton’ity loza ity araka ny nolazain’ireo zandary nijery ifotony ny zava-nisy taorian’ ilay tranga. Na izany aza, “raha mpamily tsy zatra lalana ka mandeha mafy eo amin’io fiolahana nisy io loza io dia mety ho tra-doza raha sendra mifanena amin’ny fiara iray hafa”, hoy ireo mpitandro filaminana. Voalaza fa sady miolaka be ilay lalana no samy fidinana avokoa avy any an-daniny sy avy any an-kilany.

 

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra