Tranga samihafa

Firehetana Dokotera iray may tao ao amin’ny hôpitaly

Tra-doza ny dokotera mpitsabo iray tany Talatanangavo-Ankazobe, afak’omaly, tokony ho
tamin’ny 2 ora sy sasany hariva. Ankoatra ilay mpitsabo izay may tanteraka ny lamosiny dia potika ihany koa ilay toby fitsaboana fototra faharoa nisy ity loza ity.

Ahiana ho vokatry ny fipoahan’ny tavoahangy iray nisy lasantsy tao amin’ilay trano no nahatonga ny loza. Sady birao fandraisana marary no ipetrahan’ilay dokotera ity niharan-doza ity. “Rehefa nirehitra ilay trano dia niezaka namonjy sy namono ny afo ilay dokotera. Izy irery rahateo no tao. Io no nahatonga ny fahamaizany”, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Afak’omaly ihany dia tonga teto an-drenivohitra io dokotera io ary manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona, eny Ampefiloha.

Voa mafy ihany izy araka ny loharanom-baovao satria may avokoa ny faritry ny lamosiny. Hatramin’ny omaly dia mbola notazonina tao amin’ny efitra fameloman’ aina io dokotera lehiben’ny toby fitsaboana fototra faharoa any Talatanangavo io. Tokony ho 15 kilaometatra miala an’Ankazobe no misy an’
i Talatanangavo.