Tapatapany Tranga samihafa

Basy “kalachnikov” telo.

Tra-tehaky ny pôlisy tany Toamasina, afak’omaly tao an-tranon’olona ny basy “kalachnikov” telo sy bala miisa roa amby roapolo amby zato miampy basy poleta iray misy bala iraika amby telopolo. Vehivavy telo sy lehilahy iray no tompo’antoka voasambotra tamin’ity raharaha ity. Fampitam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahazoana ity vokatra ity.