Samihafa

Fampianarana mozika Tafatsangana ny fikambanan’ ireo mpampianatra matihanina

Sehatra anisan’ny miroborobo eto amintsika ny fampianarana mozika, amin’izao fotoana izao. Manamafy izany ny fitsanganan’ny Fikambanan’ireo mpampianatra mozika matihanina eto Madagasikara na ny “Association nationale des professeurs de musique de Madagascar”, afohezina amin’ny hoe ANPMM.

Tamin’ny sabotsy lasa teo no natsangana taminrehetra manerana ny Nosy ny fikambanana. Laharam-pahamehana ho an-dry zareo ny famoahana ny karatra ofisialy, manamarina fa tena mpampianatra mozika matihanina sy manaraka ny rafitra ara-dalàna mifehy ny asa ny mpikambana iray.