Kolontsaina

Antso vonjina mpanakanto Herintaona sy tapany niaretana fangirifiriana i Fanaiky (Solomiral)

Tsy zoviana amin’ny rehetra i Fanaiky Rasolomahatratra mpitendry gitara beso manana ny maha izy azy ao amin’ny tarika Solomiral sy amin’ireo tarika ary mpanakanto maro. Lazoan’ny aretin’ny voa ny lehilahy ankehitriny. Mampahafantatra ny fiandohan’ny aretina nahazo azy izy. Mitantatra ireo sedra nolalovany nandritra ny herintaona sy tapany. Mitohy ny tolona. Tsy milavo lefona ny mpanakanto. Mifikitra mafy amin’ny fiainana izy.

Tolo-tanana
Noho ny fahatsapana ny fahasarotan’ny fitsaboana, dia efa nisy voin-kava mahatratra nifanentanan’ireo mpanakanto sy ireo namana akaiky noentina hanampiana azy sy ny fianakaviany. Tsy ampy anefa izany satria maherin’ny roa amby telopolo amby zato tapitrisa ariary ny saran’ny fanoloana voa any Inde sy ny fitsaboana ny aretina miatraika aminy rehetra.
Mialoha ny hahitana ny vola, dia tsy maintsy misy ny fanadiovana rà na « Dyalise » ataony in-telo isan-kerinandro. Sandaina ho telo hetsy ariary isaky ny fanadiovana io dingan’ny fitsaboana io.
Ho an’izay manam-paniriana hanao tolo-tanana ho azy dia afaka manao fanampiana mivantana amin’ny alalan’ny laharana 032 07 904 56 na ny 034 66 619 66. Misy ihany koa ny angom-bola amin’ny alalan’ny leetchi.com sy ny western Union amin’ny anaran’dRabemiaramanana Rentiarimalala Hajarisoa Lalaina, vadin’i Fanaiky, ho an’ireo any ampitan-dranomasina.

Faharerahana lavareny
Teo am-pamolavolana ny rakikirany fahadimy i Fanaiky no nolazoan’aretina ka tsy afaka namarana izany mandrak’ankehitriny. Ny taona 2010 no nanomboka ny tsy fahasalamany. Miha reraka lava, niha mahia sy kely aina izy. Ny taona 2013 no natao ny fitiliana. Fantatra ny fisian’ny Diabeta. Nanomboka ny fitsaboana teny amin’ny AMADIA Faravohitra ity mpana- kanto ity ny taona 2015.

Nisy fiatraikany tamin’ny voa anefa izany saingy efa tara satria ny taona 2016 teo vao voatily fa efa marary avokoa ireo voa miisa roa an’i fanaiky.
« Mandeha foana ny fiangaliana ny mozika etsy sy eroa. Matetika no mody alina sady mahatsapa faharerahana. Tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny sakafo indraindray, indrindra ireo zava-pisotro izay matetika be siramamy. Ireo no nitarika ny Diabeta ka tonga amin’ny fahasimban’ny voa ankehitriny », hoy i Fanaiky, mampahafantatra ny fiandohan’ny aretina nahazo azy.

Efa miitatra any amin’ny fony ankehitriny ny aretrina mahazo an’ity mpanakanto ity. Efa miha manjavozavo ihany koa ny fahitana ary mila fanampiana manokana.

Fiatrehana fitsaboana maro
Goavana ny vesatra eo amin’i Fanaiky sy ny Fianakaviany. Nitambesatra taminy ny harerahana ka nahatonga azy ho lasa narefo dia narefo. Mitsanga-mitoetra izy isak’alina. Tsy afaka maka aina rehefa amin’ny atoandro.
« Nisy fotoana aho teo aloha teo no tsy nisy masoandro mihiratra fa dia fangirifiriana lalina no nianjady tamiko nandritra ny valo volana. Rakotra fery ny vatako. Miha manjavozavo ny fahitana. Tsy nahavita nandeha raha tsy tohantohanana, na ihany koa mampiasa irony fitaovana manampy amin’ny fandehana irony », hoy ny nambaran’i Fanaiky.
Naharitra roa volana ny fitsaboana azy teny amin’ny hopitaly manara-penitra, nanomboka ny volana aogositra 2018. Ny fivontosana goavana teo amin’ny vatany manontolo sy ny fahasemporana no tena notsaboina tamin’io fotoana io. Rehefa afaka ny rano nampivonto azy vao nanomboka ny fametrahana fitaovana manampy ny fo.
Tsy vitan’izay anefa fa niteraka tsy fahatomombanana io fitaovana io ka nisy fery, izay mbola nilaina notsaboina manokana ihany koa. Taorian’izay rehetra izay no nanomboka ny fanadiovana ny rà ka tsy afaka hajanona intsony mandrak’ ankehitriny satria andry hiankinanan’ny fahavelomany.

Hankalaza ny faha 50 taonany sy ny faha 35 taona nilomanosana teo
amin’ny mozika i Fanaiky amin’io taona 2020 io.

Manana fanantenana
Tsy mitsahatra ny mamorona ity mpanakanto ity na eo aza ny aretiny. Manantena hatrany ny hahita fahasalamana tanteraka ka hifampizara sehatra indray amin’ireo namany mpanakanto sy hanolotra ny mozikany ho an’ny mpankafy izy.
Lahitokana ny aina ka nanao izay vitany sy nikaroka ny fomba rehetra nitsaboana an’i fanaiky ny ankohonany.
Ankoatra ny fianakaviany, dia tsy niraviravy tanana na nitaza-potsiny ireo namany. Lohalarana tamin’izany ireo mpiara-mitendry aminy ao amin’ireo tarika marobe, hatrany ampitan-dranomasina any. Nitsidika azy tsy tapaka, nandritra ny roa volana nijanonany teny amin’ny tobim-pahasalamana manara-penitra Andohatapenaka izy ireo. Noho ny fahatsapan’izy ireo fa mandalo fotoana-tsarotra ny sakaizany sady hoentina hanampiana azy amin’ny fitsaboana no nikarakarana fampisehoana « Tolo-tanana ho an’i Fanaiky » ireo namany. Isan’izany ilay hatao etsy amin’ny Fara West Faravohitra, rahampitso alina.

Tohina tanteraka ny fon’i Fanaiky nanoloana ny firaisan-kinan’ireo mpanakanto namany. Mbola manantena kosa anefa izy ny hanampian’ireo fitondrana mahefa, ny minisitera ary ny fitondram-panjakana izay efa nanaovany antso avo tamin’ny tambajotran-tserasera, iray volana lasa izay. Efa nisy ny antontan-taratasy nalefa any amin’ireo andrim-panjakana maro, raha ny nambaran’ity mpanakanto ity. Mbola tsy naharaisana valiny kosa anefa izany hatramin’izao.

« Efa tena nanampy avokoa na ireo namana, ireo mpanakanto marobe. Nampihetsi-po aza ny nahita olon-tsotra tonga nitady ahy teny amin’ny hopitaly ka nanolotra fanampiana ho ahy. Tsy ho voavaly avokoa ireny. Ho ahy kosa, tsy rariny raha toa ka maty vao omem-boninahitra. Tokony izao velona izao aho no ampiana hahafahako manohy ny fanandratana ny mozika sy ny kolon-tsaina malagasy manerana izao tontolo izao», hoy izy sady ravoravo. Velom-panantenana hatrany i Fanaiky fa mbola hiverina aminy ny faha-salamana ary afaka hanohy ny mozika nataony indray izy.