Sosialy

Toetrandro Mananontanona ny fiforonan’ny rivo-doza

Tombanana ny fiforonana rivo-doza any atsinanan’ny ranomasimbe Indiana, ato ho ato. Hivoatra tsikelikely ny lalan’ilay andro ratsy saingy tsy atahorana hiantraika amin’ny toetrandro eto Madagasikara, raha ny vaovao avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetrandro. An-kilany, ahitana fidinana ny maripana ambony amin’ny ilany andrefan’ny afovoan-tany sy any atsimo-andrefan’ny Nosy, manomboka rahampitso. Hisehoana toetr’andro tahaka izany ny eto afovoan-tany, amin’ny alakamisy. Vinavinaina kosa ny filatsahan’ny oram-baratra amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, rahafak’ampitso, afa-tsy ny morontsiraka andrefana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao