Tranga samihafa

Soanierana – Tsaramasay Fatin-jazarano roa tao anaty rano

Nahitana fatin-jazarano roa ny rano tetsy Tsaramasay sy teny Soanierana, omaly maraina. Milaza ho tsy mahafantatra ny mety ho niaviany na ny olona nanary an’ireo razana ireo ny olona nitangorona teny an-toerana.Mpiasa mpanadio tatatra no nahatsikaritra ny razana nifono tao anaty harona selôfanina tao amin’ny lakandranon’Andriantany etsy Tsaramasay, tokony ho tamin’ny 10 ora antoandro.  “Zazarano vavikely manodidina ny valo volana io hita io. Efa simba ny razana izay heverina ho efa nilona naharitra ela tao anaty rano. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny fokontany amina fahitana razana tahaka izao. Mampandre anay haingana ny tompon’andraikitra ao amin’ny fokontany raha mahita na mahalala zavatra hafahafa mety mifandray amin’io tranga io. Hatreto, tsy fantatra ny niavian’ilay fatin-jazarano”, hoy ny polisy eny Antaniavo. Mpandalo kosa no nahita ny razana iray teny Soanierana, omaly maraina ihany. Tombanana ho ora vitsy nialoha ny nahitana azy no nanariana azy. Samy naterina eny amin’ny tranom-paty ireo fatin-jazarano roa ireo.

Loham-baovao