Kolontsaina

Fitantanana vakoka Itadiavana tale ny Rovan’Ambohimanga

Maro ny fanavaozana hotanterahina. Tafiditra anatin’ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny sehatry ny kolontsaina ny fikarohana izay hitantana ny vohitra manan-tantara an’Ambohimanga sy ny Rova ao aminy. Nandefa taratasy fampahafantarana teo amin’ny pejy Facebook-ny ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera manainga ireo manam-pahalalana sy fahaizana ho amin’ny fitantanana an’ity Rova ity. Hatramin’ny 23 novambra no fara-fandraisana ny antontan-taratasy ho an’izay liana hisahana an’io andraikitra io. Voarakitra anatin’ny vakoka maneran-tany ny Rovan’Ambohimanga. Maro ny sata mifehy izany sy ny fandaharana izay tokony hatao hahafahany mitazona an’io toerana io. Hanohizana ny ezaka efa vita teo amin’ny lafiny kolontsaina no hanaingana an’ireo manam-pahaizana sy manam-piniavana rehetra hanolotra ny paikadiny ho fanatsarana sy fanomezana ny lanja ara-tantara sy ara-kolontsaina an’ity vakoka ity. Araka ny fanambaràna avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, dia entanina manokana ireo andriambavilanitra haneho ny tetikasany sy ny fahavononany ho amin’izany. Efa voarakitra ao amin’ny pejy Facebook ny andinindininy rehetra.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao