Samihafa

Fisorohana fiakaran’ny rano Nohalalinina ny farihy Masay

Nohalalinina ny lakandrano eny amin’ny farihy Masay ho fisorohana amin’ny fiakaran’ny rano amin’ny fotoanan’ny fahavaratra. Manana velarana dimy hekitara ity lakandrano ity ary mahatratra iray metatra sasany hatramin’ny roa metatra ny halaliny, amin’izao fotoana izao. Hitombo iray hetsy metatra toratelo ny fatran’ny rano afaka hiangona eny amin’ity farihy ity, aorian’ny fahavitan’ny asa, raha toa ka mahazaka rano iray tapitrisa sy dimampolo sy fitonjato sy arivo metatra toratelo ny eny Masay. Nidina ifotony teny an-toerana ny lehiben’ny faritra Analamanga, ny minisitry ny Fanajariana tany sy ny asa vaventy ary ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, niaraka tamin’ny tale jeneralin’ny Manamahefa miaro amin’ny tondra-drano eto Antananarivo (Apipa) sy ny mpiara-miombon’antoka (ny orinasa manodidina), omaly. “Fandalinana bebe kokoa ny Marais Masay no natao mba hahafahan’ny rano mihandrona mandritra ny fotoanan’ ny orana. Nojerena ihany koa ny tokony hamahana ny olan’ny fako miangona manodidina ny toerana”, hoy ny tale jeneralin’ny Apipa, Rakotonjanahary Ranto. Nohamafisiny fa hisy ihany koa ny fametrahana fotodrafitrasa hahafahana manadio ny lakandrano sy hamahana ny fitohanan’ny rano amin’ny lakandrano ilany atsinanana mandray an’Ambodivona sy Besarety.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao