Henjankenjana amin’ny firenena mety hiharan’izany ny fanarahana fitsipika napetraky ny Kaonfederasiona afrikana, amin’ity andro fahatelo sy fahefatry ny fifanintsanan’ny CAN ity. Ho an’ireo firenena tsy mahatonga mpilalao iraika ambin’ny folo miampy mpisolo toerana efatra, farafahakeliny, dia sazian’izy ireo ho resy amin’ny isa 2 noho 0 avy hatrany. Mibaby faharesena 2 noho 0 ihany koa raha toa ka tsy tonga na tsy afaka mandray lalao noho ny anton’ny Covid-19 (tsy misy sidina, mihiboka, fihidin’ny sisin-tany…) ny firenena iray. Afaka mampiditra mpisolo toerana dimy farafahabetsany ny ekipa iray.
10/11/2020
-
Zarao!
Fepetran’ny CAF
10/11/2020
Hanome hevitra