Sosialy

Fandrabiana fitaovam-pianarana Hoenjehina ireo nanasoketa ny kahie zarain’ny fanjakana

Nodisoin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tanteraka ny fanasoketana niparitaka tany amin’ny tambazotra Facebook, tamin’ny alalan’ny sary mampiseho kahie ahitana hadisoana, izay nambaran’ireo mpamoaka ny vaovao fa ireo kahie zarain’ny fanjakana maimaim-poana amin’ny mpianatra. Milaza ny hanenjika an’ireo mpanely vaovao tsy marina momba an’io resaka kahie io ny minisitera, araka ny fanambaràna navoakan’izy ireo, afak’omaly. “Tsy nizara kahie misy diso tahaka ireny tamin’ny mpianatra, na sekoly taiza na sekoly taiza teto Madagasikara, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manameloka tanteraka ny finiavana handoto sy hanakorontana saim-bahoaka ny minisitera”, hoy hatrany ny voalazan’ny fanambaràna. Fantatra fa tsy mbola nisy mihitsy, hatreto, ny fitarainana voaray amin’ny kalitaon’ireo tamba-kojakojam-pianarana zaraina maimaim-poana amin’ireo zanaka malagasy, izay entin’ny fanjakana hanalefahana ny vesatra ara-bola ho an’ireo ray aman-dreny.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao