Tranga samihafa

Famoahana omby an-tsokosoko Delegem-panjakana iray voatonontonona

Tra-tehaky ny zandary, tany Beloha, ny omby iray kamiao tsy misy taratasy ara-dalàna, izay nisy nikasa hamoaka an-tsokosoko tany Ampanihy. Nentina any Ambovombe ireo omby sy ny kamiao, tamin’ny 7 novambra lasa teo. Voatonontonona amin’ity ahiahiana trafikan’omby ity ny delegen’ny kaominina iray any an-toerana. Voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fanomezana alalana an-tsokosoko ireo omby mampiahiahy tra-tehaka ireo itsy tompon’andraikipanjakana itsy. Nogiazana any Ambovombe ireo omby mandra-pahita ny marina. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara nitondrana ireo biby. Nampiantsoana ho tonga eny amin’ny tobin’ny Zandarimaria itsy delege voatonontonona itsy.

Loham-baovao