Fanatanjahantena Tapatapany

Afaka mandefa mivantana ireo lalao ny TVM

“Manan-jo handefa ireo lalao mandroso sy miverina hihaonan’i Madagasikara amin’i Côte d’Ivoire ny fahitalavi-pirenena TVM”, hoy i Belalahy Jean Yves, tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny fahitalavitra sy ny onjam-peom-panjakana. “Miandry ny fanomezan’ny fivondronan’ireo onjam-peo sy fahitalavitra Afrikana (UAR) ny pitsopitsony teknika sisa dia azo alefa izany”, araka ny nambarany hatrany. Na izany aza anefa dia nilaza ity tale jeneraly fa: “tsy azo alefalefa fahatany ny lalao toy izao na manan-jo aza fa tsy maintsy manaraka ny lalàna mba hialana amin’ny mety olana hitranga”. Andrasana anio na rahampitso io pitsopitsony teknika avy any amin’ny UAR, tompon’ny fampitana mivantana io.

Hahita ny lalao mndroso any Abidjan ihany koa ireo mpanjifa ny amboaram-pahitalavitra avy amin’ny zanabolana Canal Sat, araka ny nambaran’ny tale jeneraliny.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao