Kolontsaina Tapatapany

« Paritana » andiany fahatelo

Efa any amin’ ny « Cité internationale des arts », any Paris, manatante­raka ny fitokanana ho amin’ ny famoronana i Rijasolo, amin’izao fotoana izao. Izy no nandrombaka ny amboaran’ny « Paritana », fifaninanana hanomezana lanja ny kanto rehetra eto Madagasikara. Ny fifantohana amina saripika maromaro izay notanterahiny teo anelanelan’ ny taona 2004 hatramin’ity taona 2019 ity no tanterahiny anatin’izany. Haranty eo anivon’ny « Cité des Arts » any Paris amin’ny tapaky ny volana novambra ny vokatra azo.